Ny falehovantenako


Izaho tsy maherifo, tsy karazan’irony mihogahoga hoe tsy mila vahiny irony, ary tena leo tanteraka ireo olona be filaza nefa tsy mahavita na inona na inona rehefa tonga eo amin’ny toerany. Fa mitempo ho an’ny fireneko sy ny olona miaina eto amin’ny tany nalatsahan’ny tavoniko ny foko. Ka mba anazava etona aho ny fahitako izany hoe fitiavan-taninjanaka izany sy ny antony anajako ny razako nohon’ny nanomezan’izy ireo antsika ity lova tokana ity : firenena mahaleotena!

VOALOHANY dia ampatsiahy tantara kely iray aho. Nisy mpanao politika frantsay iray  izay nanohitra an’i Jules Ferry tamin’ny resaka fanjanahan-tany (izay politika nampatanjaka ny frantsay tamin’izany) izay notendren’ny filoha Poincaré ho filohan’ny filankevitra (izany no nitondra ny fanjakàna tao Frantsa tamin’izany) noho ny fahitsin’ny fiasany sy fananany vina ambony sy lavitra noho ny hafa. Rehefa nanomboka nisoritra ny faharesen’ny frantsay sy ny anglisy niady tamin’ny alemana tamin’ny ady lehibe voalohany dia nanapa-kevitra izy anolo ny mpitarika ny miaramila frantsay ary nanova paikady tsy nisy nanampo. Rehefa nahomby izay paikady izany dia hoy izy : « La guerre est une chose trop grave pour être confiée aux militaires« . George Clémenceau no anarany.
40 taona taty aoriana dia latsaka tanaty fahalemena tanteraka ny fanjakàna frantsay  noho ny adilahy politika, dia niverina ny jeneraly de Gaulle ka nanangana ny repoblika faha dimy, izay nanome fahefàna be be kokoa ny filoham-pirenena frantsay.  Ary dia nalainy tahaka io fehezanten’i Clémenceau tamin’izany hamaliana hoe « La politique est trop sérieuse pour être confiée aux politiciens ».
Samy nanana ny marina izy mianaka ireo tamin’ny fotoana nitenenany ireo teny ireo, tsy midika izany hoe dondrona tsy misy ilàna azy ny miaramila frantsay tamin’ny 1918, na lasa vendrana daholo koa ny mpanao politika frantsay tamin’ny 1958, fa nentin’izy mianaka ireo izany fehezanteny izany nampisehoana fa ny paikady ankapobeny dia ambony lavitra noho ny fahaizana teknika sy ny fitapitaky ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika.

Mba ahafahana miaro izany vina iombonana izany dia mila mifandrimbona ny olona rehetra manam-pahaizana manorina sy manoritra azy, indrindra rehefa firenena marefo toy i Madagasikara no resaka. Ny fiantombohan’ny fifandribonana tsotra indrindra dia ny fanarahana maso akaiky sy amin’ny fomba entitra ireo izay nampidramina fitondràna satria fisainana efa nilaozan’ny fandrosoana sady mitory fahalemen-tsaina izany fiandrasana olona anao fahagagana izany.

Ireo nampidramina fahefàna nefa nanambotry ny firenena nanomboka tamin’ny 1973 (Sary nindramina tao amin’ny takelaka http://lepays.bf)

FAHAROA, mila mahazo ny dikan’ny hoe taninjanaka isika. Lova navela tamintsika io ary adidy sy andraikitra ny mamela azy, sy manatsara azy ho an’ny taranaka fara-mandimby.
Milaza fa manana vina daholo izay iray nampindramina fahefàna tonga teo, fa inona no porofo nataony mba anatanterahana izany vina izany? Fanabotriana ny mpiara-monina, fandrebirebena saim-bahoaka, fanomezana vahana ny mpanambola! Izay aloha izao no nataon’ny filoham-pirenena nifanesy teo. Izay no lazain’ny tarehimarika sy ny hita maso tsy azo kianina. Nisy ny naharitra tokony hafaka niasa tsara, nisy ny nandalo dia niserana, fa tefy maika sy alasafay foana no nataondreo nitazomana toerana, na nanagonan-karena ho azy samy irery, fa tsy nisy vina lavitra nipetraka mihitsy na iray aza.

Mila iarahana mandrafitra sy iarahana miaro izany izay vina iombonana sy ifanarahana izay fa tsy izay rehetra firinga mihevotra tongatonga ho azy eo amin’ny fitondràna dia andeha hanova ny tanjona lavitrezaka ho an’ny firenena mba ahafahany mihinana ny ambi-taolana avelan’ny mpanambola ho azy anabotriana ny firenena. Tsy misy mpanao politika anao izany anefa satria andevozin’ny vola daholo ireo (satria ny vola no naha teo azy), fa anjaran’ny olon-tsotra no manao izany.

In Hoc Signo Vinces

Ny fampianarana fahendrena nentin’i Yeshua ibn Yusef lasa hery famoretana nampiasain’ny fotsy hoditra anjakazakàna eran’izao tontolo izao.

FAHATELO. Nambakain’ny kristianina ny malagasy hoe ratsy izany mivavaka amin’ny razana izany, fanompoan-tsampy izany, ary tsy miditra any amin’ny lanitra tsy nisy nahita izay mbola sahy manao izany. Nefa ireo indrindra no tena manao izany fa ny azy mody ataony hoe olomasina ny sampiny. Nopotehin’ny mpanjana-tany sy ny kristianina ny kolontsainantsika mba ahafahany mangeja be be kokoa ny saina sy ny toe-karentsika.
Fa taty aoriana dia mbola tsy nisy nahavita nanarina izany maha-malagasy izany fa dia notohizana ny fanampotehina. Izaho sy ianao mamaky io no anisan’ny nahatonga izany.  Na ny tenindrazana aza tsy asiana lanjany fa asiana fangarony toy ny taikiringa daholo ny fehezan-teny rehetra. Ny mpitondra izay nampindramina fahefàna moa maika koa loza. Nomen’izy ireo ny mpanam-bola daholo ny fananam-pirenena tokony netina mampandroso. Lasa andevon’ny vola isika rehetra. Lasa ohapitenenana mihitsy moa ny hoe « ny vola no maha rangaha ». Nefa ankehitriny dia tsy vitsy ny lehilahy manaiky ampirafesina satria ny rafilahy na ny fijangajangan-dravehivavy no mamelona ny fianankaviana. Izany no vokatry ny fivavahana tia vola sy ny fahaizana mivarotra izay rehetra azo amidy. Asa raha misy ifandraisana amin’ny fitiavan’i Jesosy moa izany fa tsy izay ilay resaka.

Tsy ho vanona mihitsy ny firenena raha toa ka tsy averina ny hasin-drazana izay fototra iorenan’ny fifanajàna sy ny fiaraha-monina eto amin’ny firenena. Tsy miteny aho hoe avereno ny fiandrianana sy ny fanandevozana na hoe omboy eo amin’ny hazo fijaliana ireo mitarika fivavahana avy any ivelany fa mila ampahafantarina azy fa mpiavy mila ravinahitra eto amintsika ny fanompoan-tsampy ataony ka mila manaja ny fomban’ny tompon-tany izy zany. Izany no fototra ahafahana ihany koa mamerina ny tanjaky ny firenena malagasy fa tsy manaiky ho lembenan’ny fanantotoloina sy ny baikom-bazaha lava izao.

Ny fombandrazana no fahendrena faka sy fototry ny fivoarana fa tsy fanaovana lohanandevo sy bolokim-bazaha. Tsy misy fivoarana mirary sy mirindra ka tsy miorom-paka amin’ny kolontsaina niarahana nanorina.

Galerie | Cet article, publié dans Politique, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s