Mila anareo mpahay lalàna mitsangana ny Firenena


Averiko eto amboalohany ny hevitro : BE LOATRA ny adalàna nataon’io fitondràna Rajaonarimampianina io ka rariny tokona raha milahatra andalam-be ny olona, ary rariny loatra raha mangataka fanovàna. Nefa toa ireo antenaina anirina indray no mampivandravandra.

Raha tsy hitanisa hafa tsy izay tadidy fotsiny :
1. Tsy nety nanohy ny fitoriana mikasika ny fanondranana antsokosoko andramena nandritra ny tetezamita izay nogiazan’ny firenena Singaporianina ny fanjakàna malagasy ankehitriny nefa azo nanasaziana ireo mpiray tsikombakomba izany;
2. Polisy nandoro fokotany maromaro ho setry sy valifatin’ny famonoana ireo namany notsarain’ny vahoakan’Antsakabary satria endrikendrehin’ireo nanao kolikoly. Tsy misy fitsaràna mandroso nefa efa erintaona mahery aza ny raharaha;
3. Ministra voatonotonona anaty fanadiadiana mikasika fanodikodinam-bola (raharaha Razaimamonjy) dia lasa PM tambin’ny saziny;
4. « Manampahefàna » avy amin’ny ministeran’ny fitsaràna mandeha mandoro porofo efa nogihazan’ny BIANCO tamin’ny fanandinana fidirana ao amin’ny ENMG izay ahiana nisian’ny kolikoly;
5. Fanikatsitsahana ny lalampanorenana avy amin’ny lehiben’ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (FAL) mikasika ireo solombavambahoaka izay mivadibadika. Marihina fa fotoana fohy alohan’izay, fony izy mbola mpampianatra najain’ny maro noho ny fahaizany, dia nanamafy ny ranamana fa izany fomba izany no mampietry ny firenena.
6. Fiahiahiana fanakaramàna vola tsy toko tsy forohana ny SBB tany amin’ny Paon d’Or mba andaniana lalàna izay nolavin’ny FAL nefa dia tsy misy tohiny ny fitoriana napetraky ny mpanohitra.
Mbola maro ny azo tanisaina raha mandany fotoana kely fotsiny mikaroka ireo tahiry fa tsy fiampangana moa no tanjona eto.

Etsy andaniny koa anefa, vao tsy ampy tapa-bolana akory izay ny fitokonana dia efa miopampana sahady koa ny fandikàna lalàna ataon’ny mpanohitra :
1. Ny SBB Hanitra Razafimanantsoa manery ny mpiasan’ny ministera tsy iasa ary manambana ampahibemaso ireo izay tady tsy ivoaka teo amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny;
2. Ingahy Rasoamaromaka, tomponandraikitra politika mangalatra ankitsorano izao findain’olona maka sary azy manery ny mpiasan’ny ministera tsy iasa;
3. Ny SBB Lanto Rakotomanga, miantso fitsaram-bahoaka olona tsy misy porofo eny Antsahavola;

Ny tiana atongavana dia tsotra : tsy misy na iray aza mpanao politika, na ny eo amin’ny fitondràna na ny mpanohitra ankehitriny, ka hafaka milaza fa manara-dalàna  amin’ny rehetra ataony. Ireo mpitarika antoko mpanohitra moa mialokaloka ao andamonsin’ny SBB dia manao fanambaràna tsy loha-body, na dia fanatatra aza fa izy ireo no atidoha miketrika izao fitokonana izao.
Izay tsy fanarahan-dalàna izay mihitsy anefa no rangory fototry ny fahatran’ny firenena satria izay iray tonga eo, izay tsy Ikotofetsy dia Imahaka! Ary ny fitsinjovana ny tombotsoa iombonana dia lasan-javona toy ny etotry ny mpifàna rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ireo. Ankehitriny dia efa tafalatsaka lalina any amin’ny fitsaràna sy ny fampandehanan-draharaha ny kolikoly eto amintsika. Tsy endrikendrika izany fa zavatra niseho nandritra izay 58 taona nampalehotena ny firenena izay.

Ka ny any sisa fanantenan’ny vahoaka ankoatry ny fisian’ny mesia ho avy anavotra ny firenena, dia ny fitsanganan’ny fiarahamonim-pirenena toy ny ROHY hanery ny andaniny sy ny ankilany amin’izao fikatsoana politika izao, mba ampiaran’ny ny tomponandraikitra faran’izay aingana ny lalàna ! Rehefa tsy anao izany izy ireo (satria efa hita fa tsy nataony izany noho ny fiarovana an-dRazatsy sy Zaroa) dia tononina ampahibemaso hoe i Ranona manana izao andraikitra izao dia tsy mety mandray ny andraikiny mikasika ny raharaha toy izao ka mba angatahina izy anome fanazavàna imasom-bahoaka. Tsy sanatria fitsaram-bahoaka ka hoe iantso olona ho « amboarina » toy ny ataon’ny SBB sasany, fa alaina feo sy sary imason’ny vaomieran’olomboafidy sy mpisolo tena ny fiarahamonim-pirenena izy, hanazava ny antony tsy anaovany ny asany (toy ny any USA ohatra). Mila atao mangarahara izany ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Raha ilaina dia asiana vaomiera teknika iray « mampandeha ny fitsaràna » milaza izay tokony atao mandritra ny fotoana vitsy mba ahafahan’ny malagasy manara-maso sy mitsara ireo nampindramina fahefàna.

Tsy ny olon-tsotra bado tahak’ahy mantsy no hafaka ny hikirakira ny fandikàna (interprétation) ny lalàna ka mila anareo manampahaizana izay mbola miaro izany tombotsoham-bahoaka izany ny firenentsika, ka miangavy anareo mba hitsagana fa fotoana izao anaovana izany.
Raha vao mahatsapa tena matanjaka eo indray mantsy ny mpanao politika, na iza na iza,  dia tsy maintsy amolaka ny fitsaràna sy anararaotra fahefàna raha tsy voapetraka  izao dia izao ny fepetra anarahana maso aingana sady mahomby sy ahafahana manasazy ireo mania.

Soava daholo fa adidintsika rehetra ny taninjanaka.

Publicités
Galerie | Cet article, publié dans Politique, est tagué , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s