Aleo hiresaka zava-misy fa tsy angano angano


Tsy ho faly amiko ny anabaviko sy ny rahalahiko mpiaro ny IDE na ny fampiasam-bola vahiny avy any ivelany sady tsy miakina, fa izaho moa tsy dia mandraharaha izay fitempon’ny fon’ny sasany rehefa mino aho fa marina ny lazaiko ary mahasoa ny rehetra, ka dia arosoko ity resaka ity.

Iza isika no mahafantatra an’i Botswana? Raha tsy mandainga-tena isika dia vitsy no mahafantatra izany tany izany, no mahafantatra hoe i Gaborone no renivohiny ary anisan’ny firenena tsara tantana indrindra eto an-tany (raha ny filazan’ny Transparency International) ! Tsy fantatrao izany satria ny mpiserasera rehetra eran-tany tsy mba miresaka ireo tany afrikanina mandroso fa ny loza sy ny fahantràna foana no asetry amintsika, na BBC io na Rfi na VoA.

Ny anisan’ny nampandroso an’io firenena io dia ny fahaizany niara-niasa tamin’ny mpanambola sy nametraka ny tombotsohan’ny firenena ambonin’ny rehetra mikasika ny fitrandrahana diamondra.
Jereo kely anie : De Beers no mpanambola lehibe indrindra eran-tany ary anisan’ny orinasa lehibe indrindra mpitrandraka diamondra. Ny orinasa Debswana no any mahazo mitrandraka volamena any Botswana ka 50% an’i De Beers dia 50% an’ny fanjakàna botswanianina. Fa raha ny tatitra sy ny fandinihana nataon’ny Unicef dia 70% ka hatramin’ny 80% ny tombony dia an’ny firenena mpampiatrano ary efa ho 50 taona izao io orinasa io.
Debswana Tsy misy resaka fanenjehana an-dRakoto eto na i Tsong na zovy, fa tsotra kely ilay fanontaniana : fa isika ve izany efa farak’izay dondrombelona indrindra eran-tany ka tsy mba mahavita maka tahaka ny soa fanaon’ny hafa fa tsy maintsy tsidrin’ny olona foana?

Andeha resahina indray ny herinaratra. Manana ria-drano isika ahafahana mametraka tanjaka 7500 Mw, manana masoandro mandavan-taona na amin’izao ririnina mamirifiry izao aza. Aiza zao ilay hoe hametraka toha-drano hakàna herinaratra ialàna amin’ny fanafarana solika? Ny olona nefa itony any Maroc, mipetraka i Noor I, any Ouarzazate! Io ny fitrandrahana masoandro fahafito amin’ny abehany eran-tany.

Na resaka fitrandrahana ambanin’ny tany io, na erinaratra, na izay rehetra azo ampandrosoana ny firenena, dia tsy mba misy mahay miaro mihitsy ve ny tombotsohan’ny firenena e?
Dia aza gaga raha lazain’ny olona fa dondrona noho ny ampondra ianareo mpitondra.

Galerie | Cet article, publié dans Développement, Politique, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s