Iza moa ianao ramalagasy?


tiharea-pub

Tiareha, sipa mpihira tandroy

Sarotsarotra ity resaka iray ity satria maro no manana hevitra efa tsy azo hozongozonina mikasika azy ary misy mora mihetsi-po sy tohina mihitsy aza. Ka manararaotra ny fialan-tsasatra toy izao aho mba hanoratana ny hevitro ampilaminana, mba tsy hietsika loatra ny fon’ireo mora tohina fa mba hisokatra ihany koa ny masony fa tsy ho tampenan’ny hevitra raiki-tapisaka.
Tsy fikarohana siantifika akory ny soratako amin’ity blaogy ity fa hevitr’olon-tsotra mikasika toe-javatra iray, ka noho izany dia ataoko ampahalalahana ny fiandaniana sy ny fanehoan-kevitra. Sady ho ahy manokana, (miala tsiny fa hivadi-dela), la science n’a de valeur que dans les domaines où elle a du sens, et ce n’est pas le cas ni dans le social ni tous les domaines ou l’inspiration et l’affect sont les sujets principaux. Ka eto izany, mikasika ity resaka ity, tsy dia asiako sira loatra izany siansa zany.

Isika malagasy dia fifangaroana olona maro-fiaviana. Mety nisy, tany ampiandohana tany, tompo-tany tokam-piaviana efa tonga voalohany teto fa resin’ireo mpiavy izy ireo tamin’ny fisandrahana eran’ny nosy. Fa raha ny endrika aloha no jerena dia tsy azo iadian-kevitra fa mifangaro ny fiaviantsika : afrikanina, arabo, asiatika, eropeanina, mifangaro e! Safiotra hoy ireo te hanambanimbany izany karazana toe-javatra izany, somary mampiomehy ahy io fomba fiteny io ka ho raisiko ho ahy : ie safiotra isika gasy, ka inona no olana e?
Ireo karazana olona maro tonga teto ireo nefa dia samy nanorona fonenana sy fomba ary foko tany amin’ny toerana misy azy rehetra tany ary samy namorona rafi-piarahamonina, any ka maro ery ny andriana kely be dia be eto amintsika. Asiako teny kely ny mikasika izay fiandrianana izay. Ny fiandrianana eto Gasikara ohatran’ny marika savony vovony : samy manana ny azy ary samy midera ny azy ho tsara indrindra na mitovy daholo ihany aza. Fa indrindra indrindra, andevo lahy mpanapaka bolabola na mpangalatra volam-panjakàna ankehitriny dia manana fahefana no ireo razambeanareo nanjaka taloha ireo ka sokafy ny maso sy ny saina aloha vao manindrahindra tena.

Fa misy zavatra iray mahagaga : manana fiteny fototra tokany iomboanana isika, dia ny fiteny gasy. Telo ny antony mety nahatonga izany :

a) ny fifangaroan’ireo karazana foko sy olona maro fiaviana ireo no nanome ny fiteny malagasy;
b) efa nisy tany ampiandohana fiteny faka iray dia izay olona niteny an’io fiteny malagasy fototra io no nahay nianaka sy nanjanaka ara-kolotsaina ny mponina eran’ny nosy;
d) Misy hery tsy fantatra nampiteny ny mponina rehetra eran’ny nosy ny teny malagasy mba tsy ho azon’ny mponina hafa eran-tany ny tenintsika. Ity farany ity no mahafinaritra aho indrindra na dia sarotra inoana aza fa araky ny nambarako tsy siantifika ity blaogy ity fa izay tiako no lazaiko na angano io na arira.

Fifangaroan’olona zany isika ary nefa manana fiteny iray iombonana, ireo moa izany tsy angano fa zava-misy tsy azo kianina, fa izay nahatonga azy, an’ny tsirairay no mino izay tiany.

Malagasy_girls_Madagascar_Merina-800x531

Zaza gasy, ny hoavintsika izay tokony homena ny hanitra ho azy

Dia inona izany ankoatry ny fiteny no iarahana amin’ity firenena iombonana ity? Mety ahatohina ny sasany ny zavatra ho soratako manaraka eto fa raisiko ho adidiko ny fampirisihina ny rehetra tsy hilona anatin’ny hevitra nilaozan’ny toe-trandro.
Mila foronina sy avaozina isan’andro ny maha malagasy satria anjarantsika no manorina ny fiaraha-monina. Ny tantara mantsy no fehezin’ny lasa tsy azo ovaina, fa ny fiaraha-monina sy ny ho avy anjarantsika ny manoratra sy miaina azy. Anjarantsika izany ny manoratra ny maha malagasy antsika.

-Anao andevom-bazaha ve sa mba sahy hijoro ka hanana ny hanitra hoantsika isika?
– Hifamono an-trano noho ny tantara izay tsy fantatra ny fahamarinany ve sa hifanampy sy hifanoro amin’ny tsara sy ny soa?
– Ho rebireben’ny mpivarotra saka be loha toy ny mpitarika fivavahana vilana sy mpanao politika mpamaky trano ve, sa mba hifampitsinjo amin’ny fanorenana fiaramonina ifampifehezana mba iarahan’ny rehetra mahita soa miaraka?

Izany no santionan’ny safidy mila atao ary tokony handray anjara amin’izany famoronana izany daholo ny be sy ny maro, ny hendry sy ny adala. Tsy anjaran’ny mpitondra fanjakàna na ireo mpanonta fady izay milaza fa mpitarika fivavahana nefa namadika ny ezaka nataon’i Jesosy nialàna tamin’ny fanabotriana vahoaka nataon’ny romanina sy ny sanendrana, no manao izany. Tsy azy satria sady tsy hainy no tsy anjarany fa anarantsika, izaho, ianao ary isika rehetra izay te hiara-monina.
Ka ny dingana voalohany dia ny fametrahana ny lalàna mifehy izany fomba entina manorina izany fiaraha-monina vaovao sady mandrakizay izany.

Soava ianao mpamaky ary ialàna tsiny  raha tohina (anisan’ny maha malagasy izany rehefa maha tohina olona na fanahinina aza) fa noraisiko ho adidiko ny manankorontana ny tsy milamina.

Galerie | Cet article, publié dans Socios, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s