Maha malagasy sy ny taninjanaka


Sambany aho mba hanoratra amin’ny tenindrazako eto amin’ity rakitsoratro ity, ka mba miangavy anareo hamela ny eloko raha toa ka misy tsipelina diso satria tsy mba manana mpitsara na mpanitsy hafa no ianareo intsony ka dia manantena ireo rehetra tsara sitrapo mba hanampy raha sanatria ka misy ny diso. Ny loha-hevitra anio dia ny hoe :

Inona moa no atao hoe maha-malagasy?
Maro ny olona milaza ny heviny toy ny hoe raha tsy gasy ray sy gasy reny tsy gasy tsy tena gasy, ny fahaizana ny tenindrazana no tena izy, na izay manana tanindrazana ihany no tena izy. Amin’ny lafiny iray nefa dia mahita koa ianao karana ray sy reny, na sinoa na frantsay fa lava volo teto milaza amin’ny teny gasy faran’izao madio hoe ka isika gasy koa anie tsy mahay miray hina ka aiza moa tsy hitsahan’ny mpanam-bola sy ny vahiny fotsiny e! Karana lehibe iray avy any anindran-tany no nilaza tamiko koa hoe ilay soa toavina malagasy mihitsy anie no efa tsy misy manaja intsony e!
Ny olana dia ity : misy amin’ireo hevitra ireo toa mifanohitra nefa ihany koa toa samy marina. Raha ny nitaizàna antsika mantsy dia ny fitaizàna sy ny ray aman-dreny no maha izy antsika, nefa ahoana ny mikasika ireto mpiavy milaza azy fa ho gasy ireto ary misora-tena toy izany? Dia mipetraka ary ny fanontaniana hoe ny ray aman-dreny sy ny lova tokoa ve no maha malagasy sa ny zanaka izay beazina sy ny fitaizana izay voaray sy homena? Ny  lova ve no maha malagasy sa ny safidy hanaja sy hanandratra izany kolontsaina izany? Ireo taranaka gasy mipetraka any andafy manan-janaka tsy mahay miteny gasy ve, gasy kokoa no ireo mpiavy manaraka ny fombatsika eto ary manajary sy miaro ny tombotsohan’ny tanindrazana, ny mpiara-belona ary ny tombotsohan’ny taranaka aman-jafy? Miaika angamba ianareo fa tsy misy valin-tena tsotra ho an’ireo fanontaniana ireo.

Anjarantsika no manorina ny ho avy fa tsy adidin’ny maty.
Satria tsy misy valinteny tsotra dia tsy maintsy izany isika mihezaka mitady na manamboatra valiny. Tsy voatery ny taloha sy ny ray aman-dreny foana mantsy no mahafantatra ny marina indrindra mikasika ireo toe-javatra izay tsy nisy tamin’ny fotoan’androny. Tsy midika koa izany hoe tsipahina be fahatany koa ireo rehetra fomba fahiny fa tsy maintsy lanjalanjaina inona no azo tazonina ary inona no tokony havaozina.

Ny maha malagasy antsika, izany dia ny valin’ny fanontaniana hoe, inona ny fomba sy ny lalàna mety amintsika, ka mahasoa ny fiaraha-monina sady hitsinjovana ny ho avy, ho an’ny taranaka aman-jafy. Met misy ny tsy hitovy hevitra amiko mikasika izany ary azo atao tsara ny miady hevitra fa raha tena mandinika isika dia hevitra anisan’ny mampiavaka ny olona manan-jo amin’ny andevo na ny zava-manan’aina voazanaka ny fahafahana mifidy ny hoaviny. Rehefa ampiarahana amin’ny fiaraha-monina izany fahafahana izany dia manome ny fomba sy ny lalàna ahafahana miara-miaina. Tsy ny gasy irery no toy izany fa ny olombelona rehetra. Ny fampiarana azy eto antaninjanaka (fa tsy tanindrazana intsony) izany no heveriko fa maha malagasy antsika.

Soava daholo indray ary

Cet article, publié dans Socios, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

2 commentaires pour Maha malagasy sy ny taninjanaka

  1. Gelbart dit :

    Ny tantara mipetraka sy ny fomba amam-panao no lovain’ny taranaka faramandiby. Ny loharano nipohirana amiko manan-jina.
    Ny firenena dia sata mifehy ny olom-belona mihaina ao anatiny. Dikany, ny lalàna mifehy sy ny fomba nolovaina afaka miara-mitoetra.
    Misy foko valo ambin’ny folo ao Madagasikara. Samy manana ny vakoka sy ny fisainany ireo kanefa afaka mifanaja sy miara-monina.
    Ny mpiavy no porofo lehibe fa hafa ny Malagasy raha mihoatra aminy na ara-mpoba na ara-mpisainana sy ny sisa. Harena manokatra toe-tsaina ny fihaviana samy hafa sy tsy mitovy (mofo-gasy -vs- sambosa na nema).
    Ireo « Gasy » mila ravin-hahitra any ampitan-dranomasina dia nisafidy ho olom-pirenena hafa. Tsy maty akory ny fototra nihaviany na adinony aza ny teniny sy ny fomba amam-panaony : mbola tia vary sy loaka, dihy-gasy, fivoriam-pianakaviana, famadihana sns….
    Ny Tanindrazana dia lova ary ny Firenena kosa fifehezana hifaneken’ny mponina ao aminy.
    Azoko ny tianao ambara momba ny « taninjanantsika » : toy ny Amerika sy Australie ve izany ny ho avy aorina ao Madagasikara ? Dia ataonao aiza ny « réserve » hametrahana ny 20 tapitrisa malagasy ? Tsetsatsetsa tsy haritra iny.
    Misaotra anao tamin’ny lahatsoratra mampieritreritra satria mbola Firenena vaovo sy manan-karena ny tanintsika.

  2. andrianjorar dit :

    Ianao izany anisan’ny manamafy fa ny tantara sy ny lova dia misy lanjany mavesatra tokoa. Mino aho fa tokony hajaina izay fomba fijery izay.
    Misy nefa fomba taloha sarotra ny manaiky azy : misy toerana any anindran-tany any tsy azon’ny merina sy ny aliaka idirana, ahoana no anekena izany? Ny fanavakavahana nohon’ny firazanana na ny fiaviana ve mbola azo ekena amin’izao vaninandro izao?
    Ny tiako ambara dia hoe tsy maintsy avaozina ny fomba fiaraha-monina satria nivoatra isika malagasy. Tsy voatery haka tahaka ny vahiny fa mila mandinika ny mety eto amintsika. Izay no mahatonga ilay oe ajaina ny razana fa tsinjovina koa ny taranaka.
    Misaotra

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s