Misaotra tompoko


Ny teny hono tompoko toy ny ketsa, raha lava mamato-tena, raha fohy fatoran’ny olona. Tsy ho hay anefa ny tsy hisaotra anareo rehetra izany naneho teo ambony « aterineto » ny fankaherezana tamin’ny fomba maro samy hafa. Hohezahina ny amaly ny tsirairay ao ariana nefa noho ny hamaroanareo dia hialan-tsiny tompoko raha sanatria misy latsaka satria mandia-tany ka mety hosolafaka, ambanilanitra ka mety ho lena, ary indrindra, olombelona ka mety ho diso.

Henikaja henimboninahitra tompoko ny fianakaviana iray manontolo ka dia mankasitraka sy maneho etona ny fisaorany anareo rehetra tsy ankanavaka.

Ary satria ray amandreny iombonana no niamboho, dia mino izahay fa ny fanahiny hanazava antsika rehetra mba tsy ho vato latsak’ankady na ho sira latsak’andrano ny fihavanana izay nahasaro-piaro azy, fa mba ho vatolampy entina manorina ny fanambarana ny malagasy tsy vakivolo, izay hanandratra Gasikara tsy miady fa mifaninana, mba hitomboan’ny soa hiombonana.

Mankasitraka tompokolahy, mankatelina tompokovavy. Enti-matory ireny tompoko ho valiana raha matsiaro.

Galerie | Cet article, publié dans Uncategorized, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s